1. And in the seventh year Jehoiada strengthened himself, and took the captains of hundreds, Azariah the son of Jeroham, and Ishmael the son of Jehohanan, and Azariah the son of Obed, and Maaseiah the son of Adaiah, and Elishaphat the son of Zichri, into covenant with him.
1. La septième année, Jehojada s`anima de courage, et traita alliance avec les chefs de centaines, Azaria, fils de Jerocham, Ismaël, fils de Jochanan, Azaria, fils d`Obed, Maaséja, fils d`Adaja, et Élischaphath, fils de Zicri.
1. Ary tamin' ny taona fahafito, dia nitombo hery Joiada ka nanao fanekena tamin' ny mpifehy zato, dia Azaria, zanak' i Jehorama, sy Isimaela, zanak' i Johanana, sy Azaria, zanak' i Obeda, sy Mahaseia, zanak' i Adaia, ary Elisafata, zanak' i Zikry.
2. And they went about in Judah, and gathered the Levites out of all the cities of Judah, and the chief of the fathers of Israel, and they came to Jerusalem.
2. "Ils parcoururent Juda, et ils rassemblèrent les Lévites de toutes les villes de Juda et les chefs de famille d`Israël; et ils vinrent à Jérusalem."
2. Ary nitety an' i Joda ireo ka namory ny Levita avy tany amin' ny tanànan' ny Joda rehetra sy ny lohan' ny fianakaviana tamin' i Isiraely, dia tonga tany Jerosalema ireo.
3. And all the congregation made a covenant with the king in the house of God. And he said unto them, Behold, the king's son shall reign, as the LORD hath said of the sons of David.
3. Toute l`assemblée traita alliance avec le roi dans la maison de Dieu. Et Jehojada leur dit: Voici, le fils du roi régnera, comme l`Éternel l`a déclaré à l`égard des fils de David.
3. Ary ny fiangonana rehetra nanao fanekena tamin' ny mpanjaka tao an-tranon' Andriamanitra. Ary hoy Joiada taminy: Indro, ny zanaky ny mpanjaka no hanjaka araka ny efa nolazain' i Jehovah ny amin' ny taranak' i Davida.
4. This is the thing that ye shall do; A third part of you entering on the sabbath, of the priests and of the Levites, shall be porters of the doors;
4. Voici ce que vous ferez. Le tiers qui parmi vous entre en service le jour du sabbat, sacrificateurs et Lévites, fera la garde des seuils,
4. "Izao no zavatra hataonareo: ny ampahatelonareo izay milatsaka amin' ny sabata, dia ny mpisorona sy ny Levita, ho mpiandry varavarana;"
5. And a third part shall be at the king's house; and a third part at the gate of the foundation: and all the people shall be in the courts of the house of the LORD.
5. un autre tiers se tiendra dans la maison du roi, et un tiers à la porte de Jesod. Tout le peuple sera dans les parvis de la maison de l`Éternel.
5. "Ary ny ampahatelonareo ho ao an-tranon' ny mpanjaka; ary ny ampahatelonareo ho eo amin' ny vavahadin' ny fanorenana; ary ny vahoaka rehetra kosa dia ho eo amin' ny kianjan' ny tranon' i Jehovah."
6. But let none come into the house of the LORD, save the priests, and they that minister of the Levites; they shall go in, for they are holy: but all the people shall keep the watch of the LORD.
6. Que personne n`entre dans la maison de l`Éternel, excepté les sacrificateurs et les Lévites de service: ils entreront, car ils sont saints. Et tout le peuple fera la garde de l`Éternel.
6. "Fa aza avela hisy hiditra ao an-tranon' i Jehovah afa-tsy ny mpisorona sy ny Levita izay manao ny asa fanompoana ihany; ireo ihany no hiditra satria masina ireo; fa ny vahoaka rehetra kosa dia hitandrina izay nasain' i Jehovah hotandremana."
7. And the Levites shall compass the king round about, every man with his weapons in his hand; and whosoever else cometh into the house, he shall be put to death: but be ye with the king when he cometh in, and when he goeth out.
7. Les Lévites entoureront le roi de toutes parts, chacun les armes à la main, et l`on donnera la mort à quiconque entrera dans la maison: vous serez près du roi quand il entrera et quand il sortira.
7. "Ary ny Levita hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza miditra ao an-trano dia vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na miditra na mivoaka izy."
8. So the Levites and all Judah did according to all things that Jehoiada the priest had commanded, and took every man his men that were to come in on the sabbath, with them that were to go out on the sabbath: for Jehoiada the priest dismissed not the courses.
8. "Les Lévites et tout Juda exécutèrent tous les ordres qu`avait donnés le sacrificateur Jehojada. Ils prirent chacun leurs gens, ceux qui entraient en service et ceux qui sortaient de service le jour du sabbat; car le sacrificateur Jehojada n`avait exempté aucune des divisions."
8. "Ary ny Levita sy ny Joda rehetra dia nanao araka izay rehetra nandidian' i Joiada mpisorona azy, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin' ny sabata sy izay niala tamin' ny sabata izy; fa Joiada mpisorona tsy nandrava ny antokony."
9. Moreover Jehoiada the priest delivered to the captains of hundreds spears, and bucklers, and shields, that had been king David's, which were in the house of God.
9. Le sacrificateur Jehojada remit aux chefs de centaines les lances et les boucliers, grands et petits, qui provenaient du roi David, et qui se trouvaient dans la maison de Dieu.
9. Ary nomen' i Joiada mpisorona ho an' ny mpifehy zato ny lefona sy ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, izay an' i Davida mpanjaka izay tao an-tranon' Andriamanitra.
10. And he set all the people, every man having his weapon in his hand, from the right side of the temple to the left side of the temple, along by the altar and the temple, by the king round about.
10. Il fit entourer le roi en plaçant tout le peuple, chacun les armes à la main, depuis le côté droit jusqu`au côté gauche de la maison, près de l`autel et près de la maison.
10. Ary ny vahoaka rehetra dia nalahany samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin' ny lafiny ankavanan' ny tempoly ka hatramin' ny lafiny ankavian' ny tempoly, hatramin' ny alitara sy ny tempoly.
11. Then they brought out the king's son, and put upon him the crown, and gave him the testimony, and made him king. And Jehoiada and his sons anointed him, and said, God save the king.
11. On fit avancer le fils du roi, on mit sur lui le diadème et le témoignage, et on l`établit roi. Et Jehojada et ses fils l`oignirent, et ils dirent: Vive le roi!
11. Dia nentiny nivoaka ny zanakalahin' ny mpanjaka ka nampisatrohany satroboninahitra, sady notolorany ny teni-vavolombelona, ka dia nampanjakainy.Ary Joiada sy ny zanany nanosotra azy ka nanao hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!
12. Now when Athaliah heard the noise of the people running and praising the king, she came to the people into the house of the LORD:
12. Athalie entendit le bruit du peuple accourant et célébrant le roi, et elle vint vers le peuple à la maison de l`Éternel.
12. Ary nony ren' i Atalia ny tabataban' ny vahoaka nifamoivoy sy niarahaba ny mpanjaka, dia mba nankao amin' ny vahoaka tao an-tranon' i Jehovah koa izy.
13. And she looked, and, behold, the king stood at his pillar at the entering in, and the princes and the trumpets by the king: and all the people of the land rejoiced, and sounded with trumpets, also the singers with instruments of musick, and such as taught to sing praise. Then Athaliah rent her clothes, and said, Treason, Treason.
13. "Elle regarda. Et voici, le roi se tenait sur son estrade à l`entrée; les chefs et les trompettes étaient près du roi; tout le peuple du pays était dans la joie, et l`on sonnait des trompettes, et les chantres avec les instruments de musique dirigeaient les chants de louanges. Athalie déchira ses vêtements, et dit: Conspiration! conspiration!"
13. "Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin' ny fitoeran' andriana teo amin' ny fidirana, ary ny mpanapaka sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan' ny mpanjaka ; ary ny vahoaka rehetra tamin' ny tany dia nifaly sady ni-tsoka ny trompetra, ary ny mpihira amin' ny zava-maneno isan-karazany no nitarika ny hira fiderana. Dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka nanao hoe: Fikomiana! fikomiana!"
14. Then Jehoiada the priest brought out the captains of hundreds that were set over the host, and said unto them, Have her forth of the ranges: and whoso followeth her, let him be slain with the sword. For the priest said, Slay her not in the house of the LORD.
14. Alors le sacrificateur Jehojada, faisant approcher les chefs de centaines qui étaient à la tête de l`armée, leur dit: Faites-la sortir en dehors des rangs, et que l`on tue par l`épée quiconque la suivra. Car le sacrificateur avait dit: Ne la mettez pas à mort dans la maison de l`Éternel.
14. Fa Joiada mpisorona namoaka ny mpifehy zato izay nifehy ny miaramila, ka hoy izy tamin' ireo: Avoahy eny ivelan' ny filaharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin' ny sabatra. Fa hoy ny mpisorona: Aza vonoina eto an-tranon' i Jehovah izy.
15. So they laid hands on her; and when she was come to the entering of the horse gate by the king's house, they slew her there.
15. On lui fit place, et elle se rendit à la maison du roi par l`entrée de la porte des chevaux: c`est là qu`ils lui donnèrent la mort.
15. Dia nosamboriny izy, ary rehefa nankamin' ny fidirana amin' ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy ka niditra tao an-tranon' ny mpanjaka, dia novonoiny tao izy.
16. And Jehoiada made a covenant between him, and between all the people, and between the king, that they should be the LORD's people.
16. Jehojada traita entre lui, tout le peuple et le roi, une alliance par laquelle ils devaient être le peuple de l`Éternel.
16. Ary Joiada nampanao fanekena ny vahoaka rehetra sy ny mpanjaka mbamin' ny tenany mba ho olon' i Jehovah.
17. Then all the people went to the house of Baal, and brake it down, and brake his altars and his images in pieces, and slew Mattan the priest of Baal before the altars.
17. "Tout le peuple entra dans la maison de Baal, et ils la démolirent; ils brisèrent ses autels et ses images, et ils tuèrent devant les autels Matthan, prêtre de Baal."
17. "Ary ny vahoaka rehetra niditra tao an-tranon' i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron' i Bala, dia novonoiny teo anoloan' ny alitara."
18. Also Jehoiada appointed the offices of the house of the LORD by the hand of the priests the Levites, whom David had distributed in the house of the LORD, to offer the burnt offerings of the LORD, as it is written in the law of Moses, with rejoicing and with singing, as it was ordained by David.
18. Jehojada remit les fonctions de la maison de l`Éternel entre les mains des sacrificateurs, des Lévites, que David avait distribués dans la maison de l`Éternel pour qu`ils offrissent des holocaustes à l`Éternel, comme il est écrit dans la loi de Moïse, au milieu des réjouissances et des chants, d`après les ordonnances de David.
18. Ary Joiada nanendry ny fandraharahana ny tranon' i Jehovah ho eo an-tanan' ny Levita mpisorona izay nozarazarain' i Davida ho ao an-tranon' i Jehovah, hanolotra ny fanatitra dorana ho an' i Jehovah, araka ny voasoratra ao amin' ny lalàn' i Mosesy, amin' ny fifaliana sy ny hira, dia araka ny nasain' i Davida natao.
19. And he set the porters at the gates of the house of the LORD, that none which was unclean in any thing should enter in.
19. Il plaça les portiers aux portes de la maison de l`Éternel, afin qu`il n`entrât aucune personne souillée de quelque manière que ce fût.
19. Ary nalatsany teo ambavahadin' ny tranon' i Jehovah ny mpiandry varavarana mba tsy hisy zavatra maloto na inona na inona ho tafiditra ao.
20. And he took the captains of hundreds, and the nobles, and the governors of the people, and all the people of the land, and brought down the king from the house of the LORD: and they came through the high gate into the king's house, and set the king upon the throne of the kingdom.
20. Il prit les chefs de centaines, les hommes considérés, ceux qui avaient autorité parmi le peuple, et tout le peuple du pays, et il fit descendre le roi de la maison de l`Éternel. Ils entrèrent dans la maison du roi par la porte supérieure, et ils firent asseoir le roi sur le trône royal.
20. "Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manankaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra eo amin' ny tany; ary dia nentiny nidina avy tao an-tranon' i Jehovah ny mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon' ny mpanjaka; ary nametraka ny mpanjaka teo amin' ny sezafiandrianan' ny fanjakana izy."
21. And all the people of the land rejoiced: and the city was quiet, after that they had slain Athaliah with the sword.
21. Tout le peuple du pays se réjouissait, et la ville était tranquille. On avait fait mourir Athalie par l`épée.
21. Dia nifaly ny vahoaka rehetra amin' ny tany, ary nandry fahizay ny tanàna, rehefa avy novonoina tamin' ny sabatra i Atalia.